4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho neninao - LEZARD



tsy mampaninona raha izay no tsapa sy vitanao

ka aleoko mangina

tsy misy nenina na ko hafenina aminao

ireo izay natao

ireo nofinofinao sy ny ahy koa

toa zary nadalo avokoa

ekeko fa nitia ahy ianao

ireo toky izay mba nomenao ahy  imolotra ihany

  tsapako ihany fa mafy izany kanefa moa

  mihonona ny fo

  raha ni hitalaho sy ny ho any aminao tsy mety koa

  tsy atao an-doha

nefa tsarovinao f’indray adroany

hahatsiaro ahy ianao ka hitomany

izaho @ izay tsy anilanao

fa any am-badimbadika any ho any ka

mitso-drano anao nohany sisa azo atao

fa raha ny @ tsika angamba izay no vita

tena tiko ianao fa atao ahoana moa

fitia tsy anjara angamba ny antsika roa

nofo sy ra ihany ka mahatsiaro tomany

fitia latsaka anaty nefa rava ihany

tena tiko ianao nefa atao ahoana moa

fitia tsy anjara angamaba ny antsika roa ,ny antsika roa

  TSY MAMPANINONA!



            LEZARD




Partager ho neninao

Commenter ho neninao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LEZARD