4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola miandry - LIJA

Mandroso ny fotoana

Tsy mierikerika aho

Indray mi-pimaso

ireo taona toy ny tselatra

Fa mbola miaritra an-tananao aho

Atsipitsipin'ny onjan'ny fiainana



Ny feon'ny fahoriana

Tsy mety mangina

Fa mbola feno sedra anatiko ao

Be ny eritreritra

Mampieritreritra

Asandratro ho anao



Efa fantatro

Izay mahasoa

Hitantanao ny diako

Fa rahatrizay

Ho avy ilay fahafahana



Fa mbola miandry aho

Ny anjaran'ny fiainako

Na mavesatra ny adi-tsaina

Izay hatrehako

Kanefa matoky aho

F'Ianao no lalako

Hibaliaka indray ny mariana

Ho foana ny taraina

Ry Ray tsitoha



Ireo vato natoratoraky ny hafa

Ho lasa trano bongo fialofako

Ireo fery miafina

Sy ireo ratra

Ho loharanom-pitiavako



Ha inona hidona

Na inona hitranga

Tsy hatahotra intsony izay hiafarana

Efa feno anao ny tontoloko



Fa mbola miandry aho

Ny anjaran'ny fiainako

Na mavesatra ny adi-tsaina

Izay hatrehako

Kanefa matoky aho

F'Ianao no lalako

Hibaliaka indray ny mariana

Ho foana ny taraina

Ry Ray tsitoha

Efa eto Ianao

Mbola miandry aho



feon-kira...



Tsy ho sasa-miandry aho

Ny anjaran'ny fiainako

Na mavesatra ny adi-tsaina

Izay atrehako

Kanefa matoky aho

F'Ianao no lalako

Hibalika indray ny maraina

Hamirapiratra

Ianao

Partager mbola miandry

Commenter mbola miandry

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LIJA