4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Samy zanako - LOIC

5. Samy zanako

Ny fitadiavana mampiasa saina
Mivezivezy ka reraka ny aina,
Lasa niova tsy toy ny taloha,
Toa mora tezitra tsy tony fo.
Tsy mety amin’ny saiko dia tokana ho aho
Raha mikasika an-janako maharombotra ahy
Ny ankoatra an’izay, anareo ny anareo,
Raha io lafiny io dia ho bedy ianareo
Refrain
Zanako iny , aza hampijaliana
Zanako iny , aza hampihafiana
Izaho ny Ray nitaiza, tsy nikitika singam-bolo
Dia ianao no hidaroka sy hamono
Mitandrema fa…
Zanako ianareo samy tiako fa dia izao,
Aza mandeha ts’isy jiro saino ny atao ô!
Tolory fitia ,teny mamy izy iny, safosafo izy iny.
Interlude …
Ka fadio ny mampiasa hery
Vaomaika ankarary hanitatra fery
Ny zavatra tsotra tokony hatao
Miresaka hanadio ny fonao
Mety ho betsaka ny fahavalo
Mety ho sendotra satria saro-piaro,
Ny maso mijery tsy mitondra mody Fifampitokisana no fanafody.

Refrain
Zanako iny , aza hampijaliana
Zanako iny , aza hampihafiana
Izaho ny Ray nitaiza, tsy nikitika singam-bolo
Dia ianao no hidaroka sy hamono
Mitandrema fa…
Zanako ianareo samy tiako fa dia izao,
Aza mandeha ts’isy jiro saino ny atao ô!
Tolory fitia ,teny mamy izy iny, safosafo izy iny.

(Miakatra ) mitandrema fa …

Zanako iny , aza hampijaliana , o o o
Zanako iny , aza hampihafiana
Izaho ny Ray nitaiza, tsy nikitika singam-bolo
Dia ianao no hidaroka sy hamono
Mitandrema fa…
Zanako ianareo samy tiako fa dia izao,
Aza mandeha ts’isy jiro saino ny atao ô!
Tolory fitia ,teny mamy izy iny, safosafo izy iny. /

Partager samy zanako

Commenter samy zanako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe LOIC