4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsisy kianina - Lola

Ianao ilay tiana

Izay nofidiana

Handravaka ny androko

Tsy azo lotoina na koa soloina

Maha-saropiaro



Fa n’inon’inona fanaratsiana anao

Dia mandalo sy miserana

Fa ampidiriko amin’ny sofiko ankavia

Dia havoakako amin’ny favanana



Izay rehetra momba anao

Tiako avokoa ts’isy kianina

Miady tanteraka amiko izay

Mikitika anao



Ianao no tiako( X 2)

Tsy mila tsy mitady hafa itsony aho

Ianao no tiako

Rahatrizay mbola ho faniriako

Izaho sy ianao no mandidy

Sy manapaka



Ny eo anilanao

Mirindra izay atao hasambarana

Satriko foana hisy fotoana

Hiainana foana



Raha ny ao am-ponao aloha

Dia efa fantatra

Fa mitovy amin’ny ahy tsisy valaka

Aza manahy fa tena fitia

No hatolotro anao

Partager tsisy kianina

Commenter tsisy kianina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite