4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maninona - Lolo sy ny Tariny

Maninona é zany havako no tomany.

Tonga izaho namanao mba manontany.

Lasana izy hono omaly namela alahelo

Mba ho namanao.

Ianao tsy irery f’izaho no tonga

Hitondra kilalao.



Maninona é raha takariko ho anao

Iny volana iny ho ataonao kilalao.

Ho avy indray ny ampitso hitondra valiha aho

ka hitobaka eto.

Raha sendra tsisy izany

Tsisy hitomaniana

Zaho anilanao.



Iny volana iny tsy tsinjon’ny olona faly

Fa natao ho anao olona mijaly.

Ny heriko manontolo no atambatro

Hampitsiky anao.

Volana sy tontolo no halatsako

Eo an-tongotrao.



Maninona é zany havako no tomany.

Tonga izao namanao mba manontany.

Ny heriko manontolo no atambatro

Hampitsiky anao.

Volana sy tontolo no halatsako

Eo an-tongotrao.

Partager maninona

Commenter maninona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite