4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny ratrako - Lou

(intro)



Ny riakan’ny Ikopa tsy nijanona nikorina,

ary volon’andro omaly tsy hody fa hisolo fangirifirina

nefa ny foko mbola mihira anao

nefa ny foko mbola mihira anao ...



ianao izay efa namono ahy

ianao izay efa naleviko lalina

no mbola manangatra ahy foana sy ho mandrakizay



maro ny voankazo fa ny voarara no mahasarika

na ianao ary tsy toa ahy fa lasa indro nangarika

nefa ny foko mbola mihira anao

nefa ny foko mbola mihira anao ...



(interlude)



fa ahoana no izao no mba foinao ahy?

ianao izay tsy nampoiziko fa ho sahy?

fa ahoana no tsy hotanteraka mihintsy ny amintsika?

fa ahoana? fa ahoana? fa ahoana no dia tsisy fika? ...



ianao izay efa namono ahy

ianao izay efa nalevoko lalina

no mbola manangatra ahy foana sy ho mandrakizay



nefa ny foko mbola mihira anao

nefa ny foko mbola mihira anao ...



(outro)



trambo (ny tarika trambo, mpanao neo-punk,  misy any lou no mihira anio hira io)

Partager ny ratrako

Commenter ny ratrako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lou