Niady sy niankany iahay mivady
Lasha izy 'sy hitako ny tany nombany
'Sishy raha manzary nataoko
f'izy avao no an-dohako ao
Miasha shaina, mieritreritra anazy
Ny torimaso 'sy hitako, raha voasazy
Mafy loatra ny mahazo anahy
Lany fagnahy, mipodiana angahy
Fiverena : (4)
Nenga aiza Nadety e
Iaho zany da manina anazy e
Ataoko ahoana zalahy ny fiainako zany
'Sishy andro miratry fa vonton-tomany
Anao raika avao no fagnafody
Mba 'sarovy, asika hody
Ndre maro ny viavy mandalo ô
Ny fitiavako anao 'sy atakalo ô
Ndre maro ny 'sara bika
Ny voadin'sika efa vita
Ny anahy 'sy foiko ô
Ny anahy 'sy ariako ô
Fa nifidiko, mandra-maty ny faniriako ô
fiverenana: (3)
Nenga aiza hoa viavy Nadety e
Iaho toa da manina anazy
Nenga aiza anao, mafiraigna iaho toa Nadety e
Mipodiana, mipodiana, mipodiana angahy e
fiverenana: (mandrapaha-tapitra)