4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Madama - Tomi Dadarozy

MADAMA



Mialatsiny aho madama

Raha avelako ity hadalana

Nanenenako izay efa vita

Tsy aleo ajanona ny amintsika

Ianao efa manana ramose

Ny ankizy ao an-trano be dia be,

Tsy aleo ve izy ireo no jerena

Toy izay izaho no revena



Tena marina fa tsara ny antsika

Tena hasambarana tsisy tomika ,

Ho fahoriana hibaby trosa

Ity fitiavantsika kanosa

………………………………………………..

Ahiako hitera-doza



Ataovy nofy tsy azo Alana

Ireny vitantsika Madama,

Tena mamy tsisy toy izany

Saingy voararan’ny tany

Izaho koa mbola tanora

Tokony hirevy sy hidola,

Hibanjina ny hoaviko aoriana

Sy izay ataoko olon-tina



Tsy nety ianao fa mbola tamana

Tsy aleo leiry ve no hanafana

Izao kely tsy ampy anao,

Fa saribakoly kilalao

……………………………………….

Izy anilanao foana

Veloma madama tsy mandra-pihaona



http://tononkira.serasera.org/news/tomi-dadarozy

Partager madama

Commenter madama

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tomi Dadarozy