4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mafy - Rolf

MAFY





Dia nataoko izay vitako
Mba tsy hijalian’intsony ny foko
Taona maro niafiako
Tsy mbola nahitàko izay hasambarako

Fitiavana misalasala
Ny asa tsy ho hita intsony
Ny mozika mamadika ahy
Ny talenta, tsy ho haiko intsony

Ny harena, tsy izy no tadiaviko
Fa ampy izay ny fihononako
Taona maro niafiako
Tsy mbola nahitàko izay hasambarako

Dia eto aho manontany tena
Ny fahadisoana, tsy maintsy ekena
Tsy te hijanona aho, nefa tsy mandroso
Te hijoro aho, nefa donto

Ampio aho, Andriamanitra ô
Ny fotoana mihazakazakazaka
Vereziny aho satria trotraka
Tsy afa-mijoro aho fa tafapetraka

Dia nataoko izay vitako
Mba tsy hijalian’intsony ny foko
Taona maro niafiako
Tsy mbola nahitàko izay hasambarako


ROLF

Partager mafy

Commenter mafy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rolf

Suite