4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mafy nefa mamy ery - FEFI

           MAFY NEFA MAMY ERY



1-Mafy nefa mamy ery ny hatao hoe memy, memy

    Rotidrotika ny fo ka zary toa nalemy

    Iza moa no nanampo fa dia toy izao tokoa

    ’Zany hoe manaraka ny làlan’Andriamanitra

     Hay tsy zava-moramora ny ho any an-danitra



   Réf. "Vehivavy" :  Mifalia isika, eny mifalia

                                 Miravoa indrindra ary mihobia

                Ndeha hanandra-peo ho an’Andriamanitra

               Toy ireo voavonjy ao an-danitra  

                         Ento avokoa ny ankohonana

                         Handray famonjena ato am-piangonana

                         Aza hadino koa ny mpiara-monina

                         Sy ireo tapaka sy namana



           "Lehilahy"   :  Mifalia ka mifalia             Miravoa sy mihobia

Ndeha hanandratra ny feo

                     Toy ireo voavonjy ao an-danitra Ento ny ankohonana

                     Ho ato am-piangonana

                     Ny mpiara-monina

Sy ireo tapaka sy namana       



2- Nisy ny andro nampiraviravy tànana, tànana

    ‘Zay nanjary nahamoana anay teny an-dàlana  

     Kanjo tam’izay ny Ray no naneho ny sandriny

     Namboariny ny làlana ka niova ny endriny

     Tonga soamantsara ihany re ‘zay notarihiny  

                           Réf ...



3-Nisy koa ny hakiviana sy ratram-po, ratram-po

    Saiky tsy azo notonena fa nirongatra avokoa

    Ranomaso, toloko, sento nampitakoko  

    Nisafotofoto, moa tsy irony kotro-baratra

     Farany : ’Lay Masoandro no mandefa taratra  

                           Réf ...



       Pasteur Sacha RATIANARIVOSON

              "NEPM-FPVM La Réunion"

Partager mafy nefa mamy ery

Commenter mafy nefa mamy ery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite