4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahatsiaro anao - Anyah RNB princess

Mahatsiaro anao, mitomany anao ny foko

fa tsy eo ianao, ilay mameno ny fiainako

ny tokinao no mijanona ato an-tsaiko

toa sarotra ho ahy anefa izao ny miaina azy ireo



mangina aho, manjombona ny isan’ andro

mitovy, tsy miova satria tsy mba anilanao

ny hafatrao nilaza hoe tsy hifandao

no hery mampahery ahy na dia mafy



Miverena ianao dieny izao

fa malahelo loatra aho

efa zatra anao aho

tsy hoe tantiko foana ny hoe tsy eo ianao

fa ianao koa ve tsy efa malahelo ahy

fa ianao koa ve tsy mba mitomany ahy isan’ andro



Ireo namako no miezaka hampitony ahy

fahatoniana mandalo, dia miasa any ireo ahiahy

ry malala o , rahoviana indray ianao vao hitako

izaho tsy mba mahafoy anao

tsy mba manadino anao



Miverena dieny izao

fa malahelo loatra aho

efa zatra anao aho

tsy hoe tantiko foana tsy eo ianao

fa ianao koa ve tsy efa malahelo ahy

fa ianao koa ve tsy mba mitomany isan’ andro

Partager mahatsiaro anao

Commenter mahatsiaro anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Anyah RNB princess