4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Malala - Lolo sy ny Tariny

Malala izaho anie tsy niova fa mbola jiolahim-boto eh!!

Malala hatramin’izao anie aho mbola miteny maloto

Malala mandrak’androany anie aho ka mbola alim-pody

Misotro foana(2), dia mamo miantso ny anaranao



Malala hatramin’izao anie aho ka mbola mafy ady

Malala ianao foana izao no ataoko fitady

Malala hatramin’izao anie aho ka tsy mino an’Andriamanitra

Fa mino anao aho(2), mivavaka amin’ny anaranao.



Malala ny akanjoko hatramin’izao ka mbola rovi-damba

Malala izaho tsy mety miova mbola solon’olona mihaja

Malala indray andro any angamba aho mbola mety hiova ihany

Olom-baovao aho(2), hanome voninkazo anao

Partager malala

Commenter malala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite