4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy hiteny aho - Mage 4

Lazao ahy nahoana isika

No niezaka handainga foana

Milaza samu hoe mangatsika

Tsy tsara intsony ny mihaona

Hazavao indray f’izay no tsara ho antsika

Hazavao ahy fa tsy azoko intsony

Itantarao lainga aho mba ho vita any

Fa raha ny foko tsy hitony



F’izaho tsy hiteny aho fa sao tsy inoanao

Fa raha ny amiko hatrizay

Tsy nitia afa-tsy ianao irery fotsiny

Ny ziogan-dRafahatsiarovana ao an-tratrako ao

Holatry ny atao hoe: ilay fitiavana



Lazao ahy fa efa ritra

Tsy misy intsony ilay fitia

Lazao ahy fa anjaran-tsika

Ny hisampana ny dia

Hazavao indray fa izay no tsara ho antsika

Lazao avokoa izay esona rehetra

Hanazavanao fa ny antsika lahatra voafetra

Partager tsy hiteny aho

Commenter tsy hiteny aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite