4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mba mandao - Marion

Nolazainao avokoa
'Zay rehetra tao am-ponao
Toa tsisy niery na niafina ho ahy
Ny lalana nodiavinao
Fantatrao koa izay momba ahy rehetra
Fantatrao irony adalako
Fa 'lay fitia toa tsy mba nanam-petra
Ianao tsy mba nanary ahy

REFRAIN: Nanjary zatra ny fo fa : ianao 'lay tsy mba mandao
Ireo hadisoana efa vita
Indro toa navelanao
Na manify zany dia
Ny harena maro izay mbola tsy hita
Iriko mba tsy hiova izany
Fiarahana tena mamy
Ianao no mba hitarainako raha misy ireo zava-nanjo
Ianao no mba niady foana ho ahy, izay tsy vitako intsony
Inona moa no mba nisaorako ireny? toa tsy voavaliko akory
Raha sitrakao deh hafoiko ho anao ireny
Ho anao 'zay rehetra ato am-po
Tsy mba nandao

REFRAIN: Nanjary zatra ny fo fa : ianao 'lay tsy mba mandao
Ireo hadisoana efa vita
Indro toa navelanao
Na manify zany dia
Ny harena maro izay mbola tsy hita
Iriko mba tsy hiova izany
Fiarahana tena mamy
Fiarahana tena mamy

Aza kivy ianao na tomany
Raha indro tojo ny mamy
Ho afoiko hatramin'ny aiko
Ho eo foana aho vononon-kiady
Fa anao anie aho


REFRAIN: Nanjary zatra ny fo fa : ianao 'lay tsy mba mandao
Ireo hadisoana efa vita
Indro toa navelanao
Na manify zany dia
Ny harena maro izay mbola tsy hita
Iriko mba tsy hiova izany
Fiarahana tena mamy
Fiarahana tena mamy

.... tsy mandao oooohh!

Partager tsy mba mandao

Commenter tsy mba mandao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite