4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay hatsaranao - Mirado

Toy ny nanonofy ihany aho
raha nahita anao indray andro izay
saika tsy hafa-po mihitsy aho
fa toa nisarika ahy hatrany ny hijery anao

Tsy hafeniko fa tena nanaitra ahy ilay fijerinao
indrindra koa fa noravahan'ilay tsiky kely izay
ka aza omena tsiny aho raha toa nanoratra izao hira izao
f'ilay heritreritra izay nanaraka ahy
tsy nety raha tsy nanainga fanahy
nametsovetso ny fahitako anao
naka sary an-tsaina ilay hakantonao
mikalo sy mamisavisa sisa azoko atao

REF: Tsy ho hadinoiko velively
tsy ho voafafa na oviana na oviana
ato an-tsaiko ilay fijerinao
ato an-tsaiko ilay fitsikinao
toy ny fitombokase tsy afaka intsony
fa mitoetra ao

Toy ny nanonofy ihany aho
raha nilazanao indray andro izay
saika tsy nino mihitsy aho
fa ianao izao no nahavita izay

Ekeko fa anananao ny bika sy ny endrika
k'izamy koa angamba no naha be ny mpitsiriritra anao
olombelanaihany moa ianao ka na be aza ny fitiavanao ahy
rehefa tojon'ilay "mahay azy" ianao
niova ihany ka lasa nandao
ka lafiratsiny nahitako anao indray
ilay hatsaranao raha toy izany
mikalo sy mamisavisa azoko atao

REF: Tsy ho hadinoiko velively
tsy ho voafafa na oviana na oviana
ato an-tsaiko ilay fijerinao
ato an-tsaiko ilay fitsikinao
toy ny fitombokase tsy afaka intsony
fa mitoetra ao

REF: Tsy ho hadinoiko velively
tsy ho voafafa na oviana na oviana
ato an-tsaiko ilay toetranao
ata an-tsaiko ilay nataonao ahy
toy ny fitombokase tsy afaka intsony
fa mitoetra ao

Partager ilay hatsaranao

Commenter ilay hatsaranao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mirado

Suite