4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira N'aiza n'aiza misy ahy - NARISOA

N’aiza n’aiza misy ahy



N’aiza n’aiza misy ahy

Tononkira no ho eto am-bavako

Tsikitsikin-jazakely no handravaka ny tavako.

Ka na zovy no handrafy

N’iza n’iza hampimalo

Ny fianako rehetra

Hofenoiko kalokalo.



Tsy mba vola na harena

No nangoniko, nangoniko etoana

Na karazan-drendrarendra

Mora simba, mora simba mora foana



Eny na dia lasana aho

Noho ny tany fandalovana

Mety hisy alahelo @ androm-pahatsiarovana

Ka indreto tononkira

Raha sendra manina ahy

No ataovy ambany maso

Hampitsiky ny fanany



Fa karazam-betsovetso

No hapetrako, hapetrako etoana

Hampiray hatrany hatrany

Ireo taranaka, taranaka handova



Eny na dia lasana aho ....

Partager n'aiza n'aiza misy ahy

Commenter n'aiza n'aiza misy ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARISOA