4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira N'inona hitranga - Poopy

Aleo hitabataba
Aleo hivazavaza
Rehefa leo ve tsy hangina
Ho vizana, ho sina

Ny làlantsika roa e,
Tsy hiato, hitohy hatrany.
Tsy misy hamakiana loha é,
Fa aleo izay ho avy dia ho avy !

Ref : Na tsara aza ataonao,
Hovoakina foana ianao
Ireo tsy tia sy mpankahala
Ho eo foana hanadala
Aleo mandroso foana
‘Zay vavany tsy ahona
N’aiza n’aiza eto an-tany
Fomban-javatra izany

N’inona n’inona hitranga
Na ny lanitra ho manga
Na ho maloka mangina,
Ianao ‘lay mpanazava

Raha jereko ny andro lasa
Tao ny tsiky, tao ny ratra
Nefa ianao ‘lay mpampahery

N’inona n’inona hitranga, Jeso
N’inona n’inona
Izy antsoina é !
N’inona n’inona hitranga, Jeso
N’inona n’inona
Izy eo foana a !

Partager n'inona hitranga

Commenter n'inona hitranga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite