4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Namako ianao - Rija Oelijaona

Namako ianao

Fotoana fohy na herinandro angamba izay
No teto Mahajanga izahay
Tsy nanana an'iza hiresahana
Na hizarana hafaliana
Nalahelo fa irery

Mitazatazana ireo mpandalo
Na koa mikalokalo f'izany moa
No fialam-boly ankafiziko
Rehefa irery eny aho ka manary dia

Dia hira no tiako
Indray atoandro be migaina
Iny nisy tovovavy iray
Nirava nianatra izy angamba
Na koa asa lahy na mba ho aiza
Fa niavaka sy hafa
Fa jefijefy sy kanto ery
Ny fihetsiny mitomban-dahy
Sariadriaka endrika
Baliaka, sahisahy
Nahavarina, nambabo fo,nahafatifaty
Hay ianao no nandalo ahy ianao
An !
Hay ianao no nadalo ahy ianao
An !
Taty aoriana kely
Nifankalala isika
Nifankazatra satria
Ny tranontsika moa nifanakaiky rahateo
Ka dia nifankahita matetika
Toy ny mpiray tanàna rehetra
Toy ny mpinamana rehetra
Dia tsy nisalasala aho
Nanadikadina izay rehetra momba anao
Ary mba iza moa no anaranao
Mba lazao
Ianao koa moa tsy nihafahafa
Teny dia nitsotra hoe
Raha tianao ho fantatra ny ahy dia "Josée"
Ary mba iza ho'aho no hiantsoako anao
Sao "RIJA"
Hay moa fantatrao ny anarako
An !
Faly aho fa lasa namako ianao
An !
Faly aho fa lasa namako ianao
An !
Rija oelijaona

Partager namako ianao

Commenter namako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Oelijaona