4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Namako ianao (mahajanga) - Rija Oelijaona

Fotoana fohy na herinandro angamba izay

No teto Mahajanga izahay

Tsy nanana an’iza hiresahana

Na hizarana hafaliana

Nalahelo fa irery

Mitazatazana ireo mpandalo

Na koa mikalokalo f’izany moa

No fialam-boly ankafiziko

Rehefa irery eny aho ka manary dia

Dia hira no tiako

Indray atoandro be migaina

Iny nisy tovovavy iray

Nirava nianatra izy angamba

Na koa asa lahy na mba ho aiza

Fa niavaka sy hafa

Fa jefijefy sy kanto ery

Ny fihetsiny mitomban-dahy

Sariadriaka endrika

Baliaka, sahisahy

Nahavarina, nambabo fo,nahafatifaty

  Hay ianao no nandalo ahy ianao

  An !

  Hay ianao no nadalo ahy ianao

  An !

Nifanadala teo isika

Nifananihany, nifampikopa-tanana

Nitsiky, :-) nihomehy

Ary nidify ianao

Nefa tsy nandao ny eritreritro

Fa nitoetra

Taty aoriana kely

Nifankalala isika

Nifankazatra satria

Ny tranontsika moa nifanakaiky rahateo

Ka dia nifankahita matetika

Toy ny mpiray tanàna rehetra

Toy ny mpinamana rehetra

Dia tsy nisalasala aho

Nanadikadina izay rehetra momba anao

Ary mba iza moa no anaranao

Mba lazao

Ianao koa moa tsy nihafahafa

Teny dia nitsotra hoe

Raha tianao ho fantatra ny ahy dia "Josée"

Ary mba iza ho’aho no hiantsoako anao

Sao "RIJA"

Hay moa fantatrao ny anarako

An !

Faly aho fa lasa namako ianao

An !

Faly aho fa lasa namako ianao

An !

Partager namako ianao (mahajanga)

Commenter namako ianao (mahajanga)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Oelijaona