4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Irery - Nadji

Irery aho, irery eto

Irery miandry ety

Irery aho irery miantso

Irery miandry anao.

   Tsapako fa mafy izany

   Singan’ny lavitra akany

   Irery aho irery miandry

   Irery tsy eo ianao.



Mba any ianao lavitra any

Tsy mahatsiaro ahy

Ny ato am-poko anefa izany

Toa tsy mitsahatra

Fa ianao ihany no ilaina

Hampitony ireo taraina

Miahotra aho toa tsy sahy

Ny aminao mampiahiahy



     Ho faly sy ho mirana

     Raha indro ianao tonga mandray

     Ilay antsoko izay ela izay

     Vimbino ho ahy ilay hery iray

     Fifankatiavana hatrizay

     Ho voninkazo soa indray

     No irony iarahako ho iray.



Tsy ho ahy intsony anefa ianao

Tsy hipody ihany koa

Izay angaha no fantatrao

Fa hahitanao soa

Na ho sarotra amiko aza izany

Mandehana tsy manahy

   Irery aho, irery eto

   Irery tsy eo ianao

Partager irery

Commenter irery

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nadji