4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fehezan-kira - Nantenaina

Tena sakodiavatra aho,sao voatondro molotra,
fa tsy mba manana akory,fanomezana fanolotra.
Nefa mitsingerina ity,ilay vanin'andro nolazaina,
fa nahaterahan 'ilay Tiako,ka hifaliana ,hankalazaina
Koa ity hatolotro ny hirako,tena hira vokatry ny fo ko
izay mirakitra indrindra ireo tantaran tsika roa
Hataoko ho Fahatsiarovana ao,ny fomba nifankahitan tsika,
Ianao somary nampitamby,sy niseho ho nasiaka.
Eny raiketiko ao daholo,na ireny tato aoriana
irony taratasim-pitiavana nalaky fikoriana
Ireny adiady nifanaovana,eh toa mampihomehy akia,
Fa dongidongy tena ady,namehy an tsika roa hifankatia
Ary hamaranako ilay hirako ,ireo teny firarian-tsoa
Mba ho tontosa soa anie ilay raharahan -tsika roa

Partager fehezan-kira

Commenter fehezan-kira

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite