4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa izy - Nantenaina

Lasa nivoaka izy lasa nandeha,
tsy niverina intsony ,
nentiny nanaraka azy daholo
ny entany iray manontolo.
Dia-tongony sisa tavela ,
naveriny hatramin'ilay peratra,
fa ny fitiavany kosa efa lasa ,
efa lasa nikopak'elatra o!

Taty aoriana raha mba nifanena
lazainy fa tsy fantany akory,
manginy fotsiny izato fihetsiny
zary toa manorisory,
ianao irery sisa no napetrany teo,
niambin-tanana,
ianao nataony veloma finaritra
f'izy hono tsy tamana e! e! e!

LASA IZY ,LASA LAVITRA BE!
LASA IZY,LASA LAVITRA BE E!E!E!

Hatramin 'izao aho dia naminavina
ny mety nahatonga an'izany,
ny rendrarendrany tsy mety vita
ny reviny tsy mety lany.
Tsy asiako sira
fa ho ataoko hira izany ditrany izany,
mba ho souvenir mipetraka
ilay fitiavana feno tomany o!o!o!

Ny sitrapony sy ny faniriany
tontosako tsy nisy tomika,
nigalabona foana na tamin ny sakafo lamaody na kata na bika,
ireo namany akaiky aza nitsiriritra
fa tena tafita ilay sipa,
izany sy izany tsy tsapany akory
fa ny azy dia toetran'alika o! o!o!

LASA IZY LASA LAVITRA BE!
LASA IZY! LASA LAVITRA BE E!E!E!

Avela izy andeha raha tsy tamana
f'izany no sitrapony,
inona moa no azo atao
raha lasa any an kafa ny fony,
mihevitra ianao fa ianao irery ihany
no tsara sy tena milay,
raha ny bika sy endrika no tanisaina
feno ny tanananay o! o! o!

Pejy vaovao manombok'izao
ny tantaran-tsika sy ianao,
samia mitady izay mahasoa azy ,
avdiko hatreo koa ny page,
ka n'inon'inona zava-mitranga ,
dia mahaiza mihonona
raha izy no lasa aza manahy
fa ho avy tsy ho ela ny solony o!o!o!

NANTENAINA: Fahtsiarovako an i PIPA (Fidy). Izy no namorona ny hira, saingy efa nandao antsika tao anatin'ny fahatanorany izy.

Partager lasa izy

Commenter lasa izy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite