Tovovavy anankiray nifanila trano taminay,
tsy mba niavona tamiko ka tiako sady mamiko.
Nanahirana ny saiko sady nahakelikely ny aiko ,
ny hilaza ilay Fitiavako azy latsa-paka
toy ny Mpanjaka nahazo lapa
Somary ataoko vazivazy ,nefa sao ahatezitra azy,
somary anaovako sangisangy mba hazoto hamangivangy.
Handrafetako tonon-kalo voakaly sy voarindra
hamoronako episitily tena kanto indrindra.
Hoy aho tafa teny irery ,tsara kosa aloha ilay hevitra o!
nefa moa raha tsy tianao dia aza atao maha-tezitra.
Raha toa ianao ka efa manan-tompo,
tsaboiko mora ilay ratram-poko,
Nigadona ary ilay fotoana nandrandraiko hatry ny ela
nangovingovitra ny molotro niraikidraikitra ny lela.
Sao ianareo mihevitra fa saron -kenatra aho,
sanatria dia sanatria f'efa izay angamba no mahazo rehefa Tia!
Tsy izy akory no mahay manao magie,
fa ny foko no feno Fitia,
ankehitriny aho vao nahatsapa fa raha hamboraka fitiavana
tsy ilaina paikan'ady na tetik'ady goavana
Misy fomba tena tsotra mahasolo an izany,
io ilay Fahanginana, Fahanginana ihany!
NANTENAINA