4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aleo mangina - NARISOA

Mafy angaha ny manadino ny fitiavako

Ho mila ho isan’andro izao ny taratasinao

Mafy angaha ny adin-tsainao fa sara-tiana

Toa reko izao fa fijaliana ny fiainanao

               Hivavaka aho mba ho anao

               Hanampy anao raha azo atao

               Hitady izay hisolo ahy, hiadananao

               Tsy handatsa akory sanatria no nanaovako ity hira ity

               Fa ny alahelo anao nandao kanefa ho toina izao



Isika anie tsy noterena raha niara-dia

Niala ianao, dia tanteraho fa zonao

Izany ianao vao hiainga teto tsaroako ery

Ilay fihetsikao mizahozaho fa hoe handao

               Lasa ianao fa tsy hofefena

               Fitia tsy azo ifanerena

               Soa fa rava ny amintsika fa hay lalao

               Tsy halozana sanatria no nanoratako ity

               Fa ny hahatsiarovako ny lasa teo anilanao



Aza asiana teny intsony raha ny amiko

Izay mahasoa ny fiainanao izay atao

Ampy angamba ny hilazako izao teny izao

Tsy misy anjaranao intsony ny fitiavako

               Fa hivavaka aho mba ho anao

               Hanampy anao raha azo atao

               Ho tojo iray izay tena soa sahaza anao

               Tsy haneso akory sanatria no nanaovako ity hira ity

               Fa ny hahafantaranao mazava ny ao am-poko ao



                        ( modulation +1 ton )



Niala ianao tsy noterena fa sitrakao

Tsy misy filazana akory izay hisy anao

Dia nino ary aho fa efa nisy handray anao

Izao anefa, tonga ianao hifona indray

               Tsy ankizy aho ka hilalao, hilalao fitiavana aminao

               Mbola averiko eto indray : foiko ianao

               Aoka koa mba tsy ho tsiny

               Ny tsy hamaliako anao intsony

               Matoa nariana dia tsy tiana

               Aleo mangina

                

Partager aleo mangina

Commenter aleo mangina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARISOA