4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fetinao androany - NARISOA

Fetinao nandroany

Ho fahatsiarovana

Indramiko ny hira

Ho any aminao

Hisolo tena ahy

Mba hanoroka anao



    Ka araho moramora

    Izany hirako izany

    Fa ho tsapanao ao

    Ilay fitia tsy mety lany

    Ka ny feoko izay manako

    Nataoko hanafosafo anao

    Ka ireo tononkirako

    Nosoratako ho anao.



Fetinao androany

Ho fahatsiarovana

Indramiko ny hira

Ho any aminao

Ho solom-boninkazo

Izay atolotro anao



    Tsy ho hadinoko amin’izany

    Ny mivavaka ho anao

    Mba ho feno fiadanana

    Ilay tokatranonao

    Ka ho tojo izay irina

    Ho  lavitra ny tsetra

    Ary ho feno fifaliana

    Ny androm-piainanao rehetra.



Fetinao androany

Ho fahatsiarovana

Indramiko ny hira

Ho any aminao

Hisolo tena ahy

Tsy afaka manoroka anao.

Partager fetinao androany

Commenter fetinao androany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NARISOA