4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy hita izay hatao - NELLY

Asa ho aho ity fiainana ity,

Toa mahagaga,

Androany ianao toa faly,

rahampitso toa malahelo.

     Fiv: Ao ireo mijaly mitomany,

             Ao ireo tafita falifaly

             Aiza no misy ahy sy ianao?

             Iza no anjarako sy anjaranao?

Ny tiana mampijaly,

Ny tsy tiana eny ihany,

Asa izay ho anjara,

Asa izay iafarana.

     Fiv:

Ny hany teniko dia izao:

Maisa mafy amin’izay

Mba hahazoanao izay iriana,

Ka tsy anenenana any aoriana.

Partager tsy hita izay hatao

Commenter tsy hita izay hatao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NELLY