4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjarako - Ny Antsa Fitiavana

Ny sentom-poko injao tsy mety hangina

Hitarainako aminao, ampahoriana

Mitady haharombaka ahy ny hakiviana

Manonja anie ity ranobe, ka mba toneo



Efa nalaim-panahy hanontany rahoviana

Sao lasan’ny hafa avokoa ireo fitahiana

Noferanao handalo izay fifaliana

Tsy fantatro, fa hiandry aho, hatoky anao



Manantena aho Tompo ô fa ianao no aro sy hery

Ianao hanorina fanjakana maharitra rahatrizay

Ka na ho levona aza ny nofoko sy foko

Ho vatolampy sy anjarako ianao mandrakizay



Ny zoky, zandriko, sy ireo nihaviana

Mandà mahavaky fo, sahy manakiana

hoe angano sy tantara ny aminao Jeso

O mba iantrao dia hiasao, hanaiky anao.

Partager anjarako

Commenter anjarako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite