’Lay namela ny heloko
’Lay nitsabo ny aretiko
’Lay nanavotra ny aiko
tsy ho latsaka an-davaka
’Lay nanome famindram-po
’Lay nanafy fiantrana koa
’Lay niahy hatry ny taloha
No anaterako saotra mandrakizay
Ny hatoky Anao, ’zay no dina hajaiko
Ny hitoetra Aminao, ezaka kasaiko o o, o o
fa Ianao Tompo ô nanavao ndray ny foko
Tsy nahafoy ahy raha nisy hadisoako o o, o o
Fa ny famindranao fo
Hatramin’ny taloha sy ho mandrakizay
Ny fahamarinanao omenao ’zay mankato
Ny fanekeny
RAKOTONANAHARY Haritiana