4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ô foko - Rija Rasolondraibe



Ô! foko ô ! (2)

Aleoko ihany ianao

Mba hadio izany foko izany

Ô ! foko ô !(2)

Tsy hanan-tsiny anie

Ianao izany foko izany



Feno loatra ianao

Dia mararirary ny aina

Misendoatra ianao

Dia mitritra toy ny tany karakaina(2)

Tsy ho tany karakaina (3)

Fa hiboiboika ny ranon’aina



Mavamavana

Ny fo mampihavana

Maivamaivana (2)



Ô ! foko ô !(2)

Aza mety dokafana ianao

Sao dia lasa misengisengy

Ô ! foko ô !(2)

Aza mety dokafana ianao

Sao dia lasa mirengirengy



Fa raha tezitra ianao

Tsy ho tratry ny andro milentika

Fa raha tezitra ianao

Mba meteza hamela matetika

Hamela matetika(3)

Tsy ho tratrin’ny andro milentika


Partager Ô foko

Commenter Ô foko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite