4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira O zoma - Tovo jhay

O  ZOMA



Tiako raha mba ianao androany

No iriko mba ho namanay

Leo izay mba fotoana izay

Tsy aleo ve miaraka kely ndray



Ny resaka rehetra mety avokoa

Fenointsika tsiky² ihany koa

Zay tianao atao f’ianao no mahalala

Fa tsy atao be loatra sao lasa adala



Hisotro labiera, hifandona vera hum hum

Asio whisky ahatonga ahy hankafy



Ref

O zoma! hifalifaly kely dia hivazivazy kely

O zoma! asa ianao raha hanaraka ahy

O zoma! hifalifaly kely, dia hikatrikatry kely

O zoma! revy gasy fa tsy revim-bazà



Tsy haiko aloha zay zavatra mety hiseho

Fa tongàva dia ho fantatrareo

Tsy hisy gidra tsy hisy hanenjana sandry

Hifampitonda toy ny zoky sy zandry



Raisiko ka tendreo ny gitra

Koa mba tsara raha mba misy farara

Vetsoy mozika ny mpifankatia

Asio feo faharoa raha tiandry



Hisotro labiera, hifandona vera

Asio whisky mba hakako fy



O zoma! ……



Vazo ely aloha tendreo ny gitara

Ventsoy mozika indray ny mpifankatia

Asiako feo faharoa raha tian-dry



O zoma!....






Partager o zoma

Commenter o zoma

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo jhay