4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Olom-banona - Ambondrona

Fa angaha rehefa zandry
Tsy mba manana sandry
Fa angaha rehefa tsy miteny dia atao tsindry hazo lena
Satria kely ny tena

Ny ankizy indray
No mahatsiaro mahamay
Ry zoky, ry ray aman-dreny mba henoy izy ireny
Ny zony omena

Fa nihafy izy ireny hatrizay (hey)
Ireo ankizy tsy sahy mitaraina (hey hey)

Aleo ampina fa ts'izy indray no handeha hotsindriana
Ka mba ampio rehefa zaza izy ireny
Aza ampijaliana fa kely
Avelao aloha ny hilalao, fa aza ampiasainao
Rehefa any aoriana hohitanao.
Ny valin'izany

F'angaha raha mafy ady
Tsy mba afaka miady
F'angaha raha mavomavo
Dia atao tsindrio fa lavo
Simbaina ny hohaviny


Fa nihafy izy ireny hatrizay (hey)
Ireo ankizy tsy sahy mitaraina (hey hey)

Aleo ampina fa ts'izy indray no handeha hotsindrina
Ka mba ampio rehefa zaza izy ireny
Aza ampijaliana fa kely
Avelao aloha ny hilalao, fa aza ampiasainao
Rehefa any aoriana hohitanao.
Ny valin'izany

Partager olom-banona

Commenter olom-banona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite