4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Patty - Patty

O ry iray tanàna

Hitsikitsiky isika ampiara-peo

O!fanantenana

Patty mihira ho anareo



       Hira tsotra no hirako

         vetso ainga ho anareo

         ’nareo no hirako

         fitia ilay hirantsika



  Patty:mpiaro ny zon’ny ankizy aho

  Patty:’zay tokoa ilay izy

  Patty:fitia

  Patty:naman’ny rehetra aho

  Patty:hira tsisy fetra

  Patty:patty!

        

Ny hirako hira any an-danitra ihany

fa hira mitondra ny lokon’ny tany

hira mampihaina fitiavana

mahamendrika ny olona......

tsy mba sarahiko amin’izay ety an-Tany

ny fianoako an-Janahary

Deraiko amin’ny olona velona

ny hasoan’Andriamanitra

    Ô! izany no hirako ilay hirahirako

  

  Fiainana kely ao anatin’ny akany

  zaza kamboty aho fa mihira ihany

  ka tiako sy akaiky ny foko e!

  ny ankizy sahirana.....



Sady mihira aho no mianatra mafy

ny tsikin’i Neny tsaroako ato anaty

manefy ny hirako hatrany

hampitsiky izay tomany



  Dia an-tongotra be no hamonjeko sekoly

  de sady mandeha aho no miala voly

  manefy ny hirako hatrany

  ’reo zava-misy ny tany



Eny an-dalana eny aho misy miantsoantso

fitiavanareo mankafy zava-kanto

tsiky no asetriko aseho

satria tiako be ’nareo......



  Raha mbola mitempo ny foko ato anaty

  hihira hatrany aho mandra-pahafaty

  hitia anareo hatrany

  raha mbola tany koa ny tany.

                      

                                         Tarika Ny Ainga

                                         BP 394 Tana 101

                                         Tél:032 07 141 06

                                             032 07 109 08

  




Partager patty

Commenter patty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Patty