4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Porofom-pitiavana - Poopy

Neny a, tonga eto an-tany
Ilay ela nandrasana
Ilay tao an-kibonao
Toa ela izay
Neny, mba jereo
Ireto maso mijery anao
Manankina aminao ny ho aviny

Karakarao tsara re ny zanakao
Raha vao teraka
Omeo nono izy ahafahany mitombo tsara
Tsy ho reraka
Io ihany no hery lehibe
Omeo ahasalama azy re
Ampy azy, hialoha azy hatramin'ny faha-enimbolany

Neny a, mba jereo
Ny tànany toa mamikitra
Mamihina mafy anao
Fa tiany ianao
Neny, aza adinonao
Fa ny tontolon'ny fiainany
Miankina aminao izao kely izao

"Ry neny, omeo porofom-pitiavana ny zanakao
Omeo nono izy"

Partager porofom-pitiavana

Commenter porofom-pitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite