Efa reraky ny fiainana aho ;
Tsy nahita izay nombana intsony ;
Saika latsaka tanatin’ny famoizam-po aho ;
Tsy haiko intsony izay natao.
Soa fa tonga Ianao nanarina ahy ; Nampitraka, namonjy ny fanahy ; Nositraninao ‘lay fery tato anatiko Izay nandratra ny foko.
Manana aho Tompo ô!
Fa manana Anao ;
Niova ny fiainako Tompo ô! Tao Aminao .
Tsy nanenina aho ;
Raha nandray Anao ;
Tsy ho toy izao ny fiainako ;
Raha toa tsy tao Aminao ;
Tsy ho toy izao ny fiainako ;
Raha toa tsy tao Aminao.