4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanantenana - Poopy

Enga anie ry Ray
Ny tora-po syny antsonay
Mba hifanojo amin'ny sitrakao
Ka ilay fahamarinanao
No apetrao anatinay mba tsy hiala aminay
Ny tananao , ny fitahianao

Enga anie ry Ray
Izay rehetra nataonay
Tsy hanisanao ny fahotanay
Tsy misy ho antenaina raha toy izay
Ny fitsarana ho entinao
Ka dia mivalo,ekeo ny fonay fa mitady anao

Ka ny antso asandratray
Mba tsy hiala aminao
Ilay tany maminay ombay hatrany ilay fitiavanao
O!fantatray ry Ray
F'ianao no tompon'ny fanahy

Koa raha sitrakao omeo ny tenanay tsirairay
Ary izay mpitondra atolotrao
Dia omenao saina ampahalalao
Fa fanompoana anao no ho tanterahiny
Ary ho taratry ny asanao ny adidiny sy anjarany

Sanatria ry Ray   
Tsy hifandahatra aminao
Fa faniriana ihany ny anay
Kanefa izay no sitrakao sy fantatrao hahasoa anay
Omeo ...Zahay mahatoky fa marina ny fitondranao

         Enga anie ry Ray
         Ny tora-po sy ny antsonay
         Mba hifanojo amin'ny sitrakao
         K'ilay hafatrao hoe:
         "Aza manahy fa izaho momba anareo"
         No ho ampinganay
         Satria tsy misy mandresy Anao.

Partager fanantenana

Commenter fanantenana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite