4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tia - Poopy


Titre de la chanson : TIA
Nom de l'artiste : Poopy

Izaho tsy manahy

Tsy maninona raha sanatria aza ianao

Tsy hitoetra irery ho ahy

Izaho tsy manahy

Efa fantatrao fa n’inon’inona atao

Ny foko efa tia anao



Fa raha toa moa ianao

Mbola te hilalao

Dia tsy hisakana aho

Ny ao am-poko efa matoky

Fa na mbola ilaozanao

Na koa ho raisinao

Ilay ao am-poko ao

Mionona ka efa tony



Ka izaho tsy manahy

Na tsia aho ahy aza ianao

Fa ataoko ampy ahy ny foko efa tia anao

Izaho tsy manahy

Fa mbola hanome

Tsy mila tambiny ny ahy f’izany no tena tia



Tsy mila tambiny nomeko anao

Tsy mila sitraka aho avy aminao

Faly ny foko afaka manome

Raha mila tambitamby ny fonao

Zaho mila manome izay tianao

Faly ny foko afaka manome

Partager tia

Commenter tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite