4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tonga izao \'lay ora - Poopy

Tonga zao 'lay ora,nandrasantsika ela izay
Androntsika roa zay nanambatra iray ny aiko sy ny anao
Lay bitsiky ny foko,nandrotsirotsy ahy taloha
Indro tonga hira,nampifoha ny mamintsika roa

Manomboka izao dia tsy ho irery intsony ianao
Fo sy saina iray no ho entitsika hamakivaky
Ty fiainana ity (2)

REF:Omeko manontolo,zay mahasoa sy hahasambatra anao
          Mahazo matoky ahy ianao f'izay mamy indrindra izay
          No efa foiko ho anao
          Ny androko rehetra,foiko omeko anao
          Tsy asiko fetra,mba hanjakanao
          Lazao izay sitrakao,izay tianao ambarao
          Omeko anao,satria TIAKO IANAO

Santarintsika izao ny ho avintsika feno fifaliana
Fiainana iriko miankina @Ray Tsitoha
Raha mbola misy toetra iray tsy tianao
Vonona aho ny hiova raha mbola izay no hahasambatra anao

Tsy ho lefitry ny foko raha izaho no hampalahelo anao
Satriko isan'andro tsiky no handravaka
Ny endrikao(2)

Partager tonga izao \'lay ora

Commenter tonga izao \'lay ora

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite