4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha misy tiana - Volatiana

Raha misy tiana

Dia ianao

Raha ny hasambarako

Dia ianao, ianao ihany

Indrisy anefa fa tsy ho sahiko

Raha ny hanambara ny fitiavako



Rahoviana re ry tiana

Izao faniriako izao

No tsy ho nofy intsony

Fa ho anilanao

Mba lazao



Nataoko foana

Noho ianao

Izay hihaonantsika

Tamin’iny lalana iny

Indray andro izay aho

Dia niandry foana teo

Kanefa indrisy

Fa tsy nandalo ianao



Nanjary ho fijaliana

Ny nahitako anao

Raha tsy ho anao ry tiana

Ny fitiavako



Vao mba nitia any aho

Dia ianao

Ka ho hadalàko ve

Ny manjohy anao hatrany

Ataovy an-tsaina

Fa sarotra amiko

Raha ny hanambara ny fitiavako



Inianao ve ry tiana

Ny mbola tsy hamaly

Minia tsy mahalala

Ity foko efa tia

Tena tia

Partager raha misy tiana

Commenter raha misy tiana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Volatiana