4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha nofy - Njila

Androany aloha manome toky ianao
Nomenao fitiavana aho
Natolotrao ny fonao
Ny nofy sy ny tsiambaratelo koa
Izaho irery no tianao
Nefa manahy ihany aho
Rahampitso ve mbola ho tia ahy ianao?

REF             Fa raha sanatria ka nofy izao rehetra izao
                      Avelao izy hitohy mbola iarahako aminao
                      Mitalaho an-tana-droa raha azo atao
                      Avelao aloha hanonofy farany aho

Azoko atao ve ny ahatoky anao
Sao sanatria ka kilalao
Ny sangy mahery nataonao
Ho torotoro izany foko mitalaho
Lazao re raha sitrakao
Raha tena tia tokoa ianao
Fa na ny ampitso aza mbola ho toy ny anio

                                                    NJILA

Partager raha nofy

Commenter raha nofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite