4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha sitrakao - Ny Mpitory

Raha sitrakao Jesoa toneo ty fo tomany

Torovandrovan-tsentosento sesilany

Tsy miafina Aminao injao fa te hitroatra

Handa ny tendrinao tsaroako ho mafy loatra

Fa ny kapoaka avy aminao tsy maintsy hosotroina

Raha azonao atao mba satriko ho soloina

Kanefa ngotingoty ihany izany fa ny sitrakao

Ny sitrakao irery anie Jesoa ny hatao



Ny hany iangaviako Anao Jesoa malala

Tolory hery aho mba tsy hisalasala

Fa hiantoraka eo an-tratranao no hitalaho

Hahaizako miatrika ny vaovao

Anefa moa avy Aminao sa avy aiza

Ity fiainana mangidy ity sakaiza

Fa tena mila tsy ho zakako tokoa

Fa toa manonjanonja efa tsy ho to



Hifonako Aminao re Jesosy ny fahotako

Manimba fo tsy mahasoa ka hialako

Na tendrinao na valin’ota izao mianjady amiko izao

Matoky aho fa Ianao Jesoa dia tsy mba mandao



Tso haoako akory ny ho sambatra eto an-tany

Raha toa ka tambin’ota hatrany ihany izany

Fa manodoka am-piandohana fa mafaitra

Ny fiandohany ka mihatra vao manaitra



Ny Mpitory

Partager raha sitrakao

Commenter raha sitrakao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mpitory