4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sens unique - RAH-CKIKY

AZAFADY RY ZAMA FA MAIKA BE IZAHAY!! MIJALY MADAGASIKARA DIA MILA MIAKATRA SENS UNIQUE ETO IZAHAY!!!

AZAFADY HOA!!



Izaho leisy aza adalaina

Izaho zàma aza fokaina!

Sarotse ny mifanompa reny

Demôkrasia ka tsy maintsy miteny

Sao dia ho ataon'ialahy tanànan-demony aza

Ny tanindrazanay

Ka angalan'ialahy katekista

Sao ho tadiavin'ialahy ho dorana

Ny tanànan-draMalagasy

Ka mila afokasoka sy ambalazy e!

Sa voan'ny angatra sy ny tety

Ka mila mpanindrona vetivety?

Ô! Kartera mpanao Mada Raid e!

Sady saingy tsy ampy an-draVitaminina

Sady mila proteinina

Dia tambatambazanao Margarine e!!

Sao dia lazain'ialahy rambaramban-tsarety

Ny tanànan'i Gasikara

Ka hampitondrain'ialahy soavaly efa soara e!!



Raha ny hevitro no anontanian'ialahy!

Raha ny hevitro no anontanian'ialahy zàma!



Izaho leisy aza adalaina

Izaho zàma aza fokaina!



Raha ny hevitro no anontanian'ialahy!Dia izaho tsy hifidy!

Raha ny hevitro no anontanian'ialahy zàma!Izaho hoa tsy hifidy!

Raha ny hevitro no anontanian'ialahy!Dia izaho tsy hifidy!

Raha ny hevitro no anontanian'ialahy!Izaho hoa tsy hifidy!



Raha ny hevitro no anontanian'ialahy!

Raha ny hevitro no anontanian'ialahy!

Raha ny hevitro no anontanian'ialahy!

Raha ny hevitro no anontanian'ialahy!



Kristy ô! Raha mba nirotsaka ho kandidà an'i Madagasikara mantsy ianao ohatran'izay dia tsy bedy avy eo hoe ohatran'izao vato fotsy!!



IZAHO HOA TSY HIFIDY!!!

Partager sens unique

Commenter sens unique

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAH-CKIKY

Suite