Mangitakitaka, mitebiteby
Mibitabitaka, somebiseby ny foko
Rehefa aho manina an-ndry
Ireo andro niarahana fohy dia fohy
Tiako hitarina, tiako hitohy kanefa
Ianao indray no tsy sahy
Tiana ve, diso tiana
Ka mampitondra fahoriana
Mamo ve, diso mamo
Mba handraso kely ihany aho
Raha toa ianao ka kamo/mamo
Tsy andriko intsony ny ampitso maraina
Hibedako ny fony ary hitenenako ireo teny
Izay noforoniko ho an-ndry
Tsy mahatombina tsy mahasaraka aho
Efa nihombona efa niaraka isika e
Izay vao nifankatia
Foiko ho anao tsisy fetra
Ny fitiavako rehetra
Omeko anao raha sitrakao
Ireo nofinofy matory ao anatiko ao