4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Varimbariana - Ricky

Varimbariana ianao, sondriana, am-piandrasana azy eo,

Mihira mangina irery, sahirana, mitady ny very.



Ny eritreritrao, midongy te-handeha,

Ny fidoboky ny fonao misaringotra anazy e, misaringotra anazy e!



Ny fony anefa tsy azony omena, anao, am-piandrasana azy eo

Ianao anefa manantena, fa hilalao, eo akaikikaikiny eo



Ho reraka eo ianao fa meteza hotsaboiko,

Ny Fanahinao tsy ho avelako hanjoko, tsy ho avelako ho feno toloko;



Aiza ao aminao no marary hotsaboiko,

Aiza ao aminao fa tsy avelako ho feno toloko,

Dia tsy ho avelako ho feno toloko,

Fa tsy ho avelako ho feno toloko,

Dia tsy ho avelako ho feno toloko



Tsy azo ariana; fa na rahoviana;

Izay mitia mbola ho tiana,

Izay mitia mbola ho tiana,

Mahita ny miafina any @ Mandrakizay

Tian-Dray e

Seeeeeeee................





Olombelo Ricky “Odiaina” 2006

Partager varimbariana

Commenter varimbariana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite