4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maso mifanojo - Rija - Dadah - Francia

Vao injay nifanojo ireto fijery

Dia tsapako aho fa tojo fitia tena mahery

Toy ny varatra mipoaka,nefa andro tsisy orana

Fa nisavoana ny foko malo toy ny torana



Ireo hafa manodidina sy ireo vorivory

Toa zary tandindona tsisy hitako akory

Nanintona ahy tsy namela

Ny masonao no hany tazako

Toy ny efa ela

Izy ireo no nandrasako





Ref: F’ianao nitsirika ahy

     Somary nitsipalotra

     Te hibanjina , tsy sahy

     Tsy te hijery maharitra

     Nifanandrify kosa

     Tsy ela nefa tsapako

     Fa tena tontosa

     Tiako ianao rahavako





Raha toa ka tena izaho no ilay voafidy

Hahitsio ny masonao ka aza avela hihidy

Ny masoko dinihinao ka ho hitanao tsara

Fa ianao no tiako ary inoako fa anjara



-Ref-

Partager maso mifanojo

Commenter maso mifanojo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija - Dadah - Francia