4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mino aho - RIJA RASOLONDRAIBE

Zoky a, misy afo mampafana
Miredareda eo amin’ny fiderana
Misy firaisam-panahy
Misy hery mampiray hanambatra indray ny fizarazana

Zoky a, toy ny ety ambony tany
Maro ny mijery antsika any an-danitra any
Fa n any any ny aty lasa nifankatia
Mifampitantana fa lavitra ny dia

Ref :
Mino aho, eny mino aho f’’efa manakaiky ihany ny fanjakany
Ireo mino mahalala ihany
Mifandray Tanana @izany
Miaraka ihany hatrany an-danitra any
O o o mino aho

Zoky, hiara-hitana ny fiderana
Miandry antsika hanandratra ny fahazavana
Ny fanilo an-tananao
Ny fanahy sy ny lazanao
Tsy mamono fa manome aim-baovao

Zoky a, rehefa mivavaka ianao
Misy hery vaovao am-poko ao
Reko ny hafaliana
Hiarahana fihiram-baovao

Ref * 2

Fa mahery ny fanahy
Handresy lahatra indray
Ireo manao lalao, mpanameloka rahalahy
F’ireo zanaky ny Ray
Hampiavana izay
Ireo mpivavaka hino Tompo iray

Ref * 2

Partager mino aho

Commenter mino aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RIJA RASOLONDRAIBE

Suite