4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ankizikely iray - Rocco

Ankizikely iray

Teo an-dalambe

Kamboty velon-dray

Sy reny efa elabe



Niantso vonjy angamba

Na mety niantso tody

Nitafy vorodamba

Naniry ny mba hody



  Izaho sy ianao nefa teo

  Nifaly havanja ery

  Toa tsy nandre ilay feo

  Nikiaka mafy ery hoe



Nefa raha lazaiko ny alahelo

Mitoetra ao am-poko

Na ianao aza

Eny e! Mety hitomany



Toa lasa ny saiko

Niampita ny arabe

Nahita ankizivavy

Nivaron-tena an-dalambe



Toa tsy laitra ny hatsiaka

Sy ny aizina nikilo

Dia nomehezantsika

Nomehezana mangina



Asa angaha raha fantatrao

F’izaho mihaino anao

Lainga hoy ianao

Ilay atao hoe Fitia



  Nefa raha lazaiko ny alahelo

  Mitoetra ao am-poko

  Na ianao aza

  Eny e! Mety hitomany


Partager ankizikely iray

Commenter ankizikely iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rocco