MPAMOSAVY
Any Afrika, « génie » no iantsoina azy
Tany Eraopa, sorcier tamin’ny « moyen-âge »
Eto amintsika, mpamosavy miaodiaody
Mampitsaoka, bibilava mandadilady !
Mpamosavy, io ilay mpamosavy ho’aho
Mihoso-menaka hono izy mba tsy hisamborana azy
Mitanjaka hono izy na dia efa ririnina aza
Mandeha alina hono izy, mitsatsaka hazavana
Fa olon-tsotra hono izy rehefa masoandro migaina
Miantsena, mivarotra, mampiaraka, mirevy, mikaroka, nefa...
Mpamosavy, io ilay mpamosavy ho’aho
ROLF