4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ngôma - Rossy(Rasimanana Colbert)

NGÔMA

Ngôma e, ngôma zaho
Ngôma anao zaho malala e, ngôma zaho malahelo
Ngôma fa lavitr’ilay olo tiany e,
ireo taratasiny no vakivakin’e
Singany irery ka mila ho adala,
tokana lavitra anao ramala

Inay aho vorona de mbo ho any,
hizara izany alaheloko zany
Inay aho vorona zao dien’zao,
hikopak’elatra ho any aminao

Ngôma eee, ngôma zaho
Ngôma anao zaho Malala, ngôma zaho malahelo
Lasa ny saina tsy mety ho tony,
mijery ny kintana an-danitra irony
Mampionon-tena toa mino tsy mino,
asa izy any rah toa manadino

Inay aho vorona de mbo ho any,
hizara izany alaheloko zany
Inay aho vorona zao dien’zao
hikopak’elatra ho any aminao

Ngôma e, ngôma zaho
Ngôma anao zaho malala e, ngôma zaho malahelo

Mandre ireo hira niaha-nikalo
Ny lasa reheta @’izao mialoalo
Lavitra manko tsy takatra antsoina
Ny sariny sisa no safosafoina

Inay aho vorona de mbo ho any,
hizara izany alaheloko zany
Inay aho vorona zao dien’zao hikopak’elatra ho any aminao

Rossy
(copié par Yves MANJAKATSARA)


Partager ngôma

Commenter ngôma

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rossy(Rasimanana Colbert)