4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Safidin' ny foko - Njila

Indry no safidin' ny foko,
namiratra tao anatin' ny maro,
fiainana izay tsaroako,
fiainana tsy azo afangaro,
omaly mandraka androany,
mbola niaretanao tao ihany,
Na inona na inona mety ho hadisoako,
lefitrao ka dia tsy foiko ianao.

Indry irery no nahazaka,
indry irery no nahatanty,
raiso izao fitiavako izao,
io no tsara indrindra atolotro anao.

Indry irery no nahandry,
indry irery no namonjy ahy,
raha resy aho indraindray,
soa fa teo ilay fitiavanao.

HAINGO
NOV 2006

Partager safidin' ny foko

Commenter safidin' ny foko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njila

Suite