4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sahala am'zay - Hery Rabenjarison

Aza bikabikaina aho
Fa tsy hananako raha ny biaka
Sao dia ampitahainao
amin'ny endrikao tsara sariaka
Fa ny tena mba tiako
ho tanteraka ny faniriako
Fa mamiko loatra
Ka tsy tana fa tena mitroatra

Dia sahala amin'izay
Sahalahala amin'zay
sady mahafa-po
Fa tsara sy manja tokoa
Dia mba ohatr'izay
izany ka tena milay
Ka satriko ihany
Hankaloza sy hananihany

Aza jerijerena aho
Fa ny endriko mivoara mena
Tsy mitombona koa
Ny saina fa miasa ny loha
Raha sahala amin'zay
Dia aleo mbola averiko indray
Efa hatramin'ny ela
Ny fitiavako no efa tavela

Refrain ....

Partager sahala am'zay

Commenter sahala am'zay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hery Rabenjarison